4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa - Rija Ramanantoanina

Soa fa nisy hirifiry

Mampangovitra, mangitsy

Mitondra ahy, ho eny aminao

Mafana eo aminao !



Soa fa nisy koa fanala

Vao maraina, rehefa hariva

Nitazona ahy

Hijanona eo ambany tafonao !



Fa isan’andro aho hivavaka,

Hahita anton-dia iray

Ahazoako mifanatrika aminao foana e…

Dia satriko ho ririnina

Hamirifiry lava arahin’erika

Matetika ny andro ety !



Anton-dia daholo ireo fa

Na mafana aza ny andro

Rehefa tsy eo ianao, mangatsiaka aho !

Mafana eo aminao.

Partager soa

Commenter soa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite